Fiaraha-miasa : Haverina ny zotra ana habakabaka mankany Afrika Atsimo

Maromaro ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo. Firenena voalohany fanafarantsika entana, amin’ny alalan’ny fifanakalozam-barotra malalaka tsy tataovan-ketra (Zlecaf).

Noraisin’ny filoha afrikanina tatsimo, Cyril Ra­ma­fosa, tao amin’ny trano fonenany, any Mah­lamba Ndlopfu, Pretoria, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, ny zoma 16 janoary teo. Fitsidihana arakasa ity nataony ity. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, ka anisan’izany ny hiverenan’ny fitaterana ana habakabaka eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsi­mo. Tsiahivina fa efa nisy ny zotra ana habakabaka mampifandray mivantana an’Anta­nana­rivo sy Johannesbourg, niantohan’ny Air Madagascar, saingy niato nanomboka ny nisian’ny valanaretina Covid-19, tamin’ny taona 2021.
Eo koa ny fifanarahana ara-barotra amin’ny alalan’ny fitaterana an-dranomasina sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny siansa sy ny teknolojia niomerika. Nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo tsenam-paritra toy ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina (UA).
Efa tamin’ny taona 1994 ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’ny firenena roa tonta. Firenena matanjaka indrindra ara-toekarena aty Afrika i Afrika Atsimo ary maro ny sehatra azo iaraha-miasa amin’izy ireo.

Voalohany i Afrika Atsimo
Eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra, maro ny entana hafaran’i Madagasikara any amin’ity firenena ity. Sehatra iray azo araraotin’ny roa tonta ny fisian’ny fifanarahana ara-toekarena, ny Faritra malalaka ara-barotra aty Afrika (Zlecaf), tsy hitataovana haba amin’ny fifanakalozana. Avy any Afrika Atsimo ny 48% ny entana afaran’i Madagasikara aty amin’ny firenena afrikanina, araka ny antontanisan’ny Banky iraisam-pirenena, ho an’ny taona 2024. Avy any Maorisy ny faharoa, mahatratra ny 27,4 % ary Egypta ny fahatelo (14%).

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: