Nalefa eny Imerintsiatosika, halina: Naiditra vonjimaika am-ponja ny Jly Ravalomanana Richard

22 andro taorian’ny nisamborana azy teny Ambatovinaky, niakatra fampanoavana, omaly, ny Jly Ravalomanana Richard. Naiditry ny mpitsara mpanao famotorana vonjimaika am-ponja eny Imerintsiatosika izy.

Nalefa eny amin’ny fon­jan’Imerintsiatosika ny Jly Ravalomanana Ri­chard, halina. Izay ny vokatry ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitsara mpanao famotorana azy. Niakatra fampanoavana, 22 andro taorian’ny fisamborana azy teny amin’ny trano fonenany, teny Ambato­vinaky, izy. Raha ny angom-baovao teny an-toerana, no­raisina fotsiny teo anivon’ny fampanoavana ny anarany fa tsy nohenoin’ny mpampanoa lalàna akory. Tsiahivina fa ny fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana, firaisana tsikombakomba tamin’ny heloka bevava samihafa, miampy ny fisandohana andraikitra ho mpibaiko ny zandarimaria ny fanenjehana azy. Ankoatra izay, tsy nisy nipika ny vaovao. Na ny mpisolovava, na ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia samy nisafidy ny hanakombom-bava.

Miandry daty

Mahakasika ny raharaha Rakotomanga Rinah, izay anisan’ny voarohirohy ihany koa amin’ny resaka fanohintohi­nana ny fitondrana sy fandikan-dalàna samihafa, miandry ny datim-pitsarana izy mivady. Nolavin’ny fitsarana rahateo ny fampiakarana fitsarana am­bony, ny fangatahana fahafahana vonjimaika. Tsia­hivina fa migadra eny amin’ny fonjaben’ Antanimora ity mpano­hana ny filoha teo aloha ity.

r.r

Partager sur: