Hita omaly tamin’ny 4 ora latsaka fahefany hariva, tao anaty rano, teo ambonin’ny tohodrano iray ao amin’ny fokontany Ankorombe, disitrikan’Ambositra, ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray tokony ho 30 taona. Mpanjono niampita teny an-toerana no nahita olona natsingevan’ny rano ka nampandre ny manam-pahefana. Vory lanona ny fokonolona teny amin’ny manodidina vantany vao naheno ny tranga. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana avy hatrany koa ny avy amin’ny polisim-pirenena sy ny mpitsabo, taorian’ny antso.
Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahafatesan’io lehilahy io. Efa simba tanteraka ny razana ary tsy nisy nahafantarana azy intsony, rehefa avy nakarina tao anaty rano. Mbola teny aminy ny akanjo nanaovany ary mirefy 1m 65 eo ny halavany. Tombanana ho efa naharitra teo amin’ny telo andro teo ny fotoana nahafaty io lehilahy io, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Ankoatra izay, nahitana ratra maromaro ny vatany. Efa niala tamin’ny tarehiny ny sofiny, nivonto ny masony.
Tsy mbola tonga teny an-toerana ny fianakaviany ary tsy misy mahalala azy io ny olona any an-toerana. Hanapa-kevitra ny handevina ny razana any amin’ny fasam-bahiny kosa ny tomponandraikitra raha sanatria ka tsy fantatra ny havan’ny maty. Entanina hitandrina hatrany ny tsirairay manoloana ny fiakaran’ny rano, hisorohana ny tranga tahaka izao
Mino




