Lehilahy iray mpiambina tanàna no voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza, omaly. Voarohirohy tamin’ny famonoana sy fanolanana ankizivavikely iray teny an-toerana izy io, ny alahady 19 janoary 2026 lasa teo. Voalaza fa efa nanao fihetsika hafahafa tamin’io ankizivavy hita faty io, ilay lehilahy, talohan’ny zava-nitranga, raha ny fanazavana voaray. Hita tavela teo alohan’ny trano fonenany ny silipon’ilay zaza maty. Hita teo ihany koa ny antsy iray sy fonon’ondana feno ra, nandritra ny fisavan’ny mpitandro filaminana.
Tsiahivina fa hita faty tao anaty dobo, tao Andranonandriana Ambohimalaza, afakomaly maraina, ny ankizivavikely iray. Nahitana tsindrona antsy teo amin’ny tendany, ary voaolana ihany koa izy, taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana. Nirahin’ny ray aman-dreniny handeha antsaka rano izy ny sabotsy 18 janoary tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro. Tsy niverina intsony anefa izy taorian’izay. Nataon’ny fianakaviana ny fikarohana nanomboka teo ary hita sy tavela teo am-pantsakana ny kapany sy ny bidon nentiny. Nampandrenesina ny mahakasika ny zava-misy avy hatrany ny zandary, taorian’izay. Natao ny fikarohana ary hita faty tany anaty rano ilay ankizy.
Manentana ny ray aman-dreny mba tsy haniraka ny zanany handeha irery ny mpitandro filaminana, hisorohana ny tranga vono olona tahaka izao.
Mino




