TSELATRA

Lehilahy iray 20 taona, mpifoka rongony, voasambotry ny polisin’ny UIR ny sabotsy 17 janoary 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, tany Antsirabe. Nifa­nehatra tamin’ ny polisy nanao fisafoana izy io izao tratra teo am-pifohana rongony izao. Monina ao Saharoa­loha, Antsirabe, ihany izy. Nentina any amin’ny kaomisaria Antsirabe ho hadihadiana.
Jiolahy roa mpangalatra eny amin’ny faritry ny tranon’ny mpianatra, eny Ankatso, voasambotry ny polisy ny sabotsy 18 janoary 2026 tolakandro. Azon’ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsy izy ireo ary saika niharan’ny
fitsaram-bahoaka. Tonga haingana teny an-toerana ny polisy ka nisambotra azy ireo. Nentina eny anivon’ny CSP 2 Ambo­hijatovo miatrika fanadihadiana.
Ankizy tsy ampy taona miisa enina voasambotry ny polisim-pirenena tany Antsirabe, ny zoma 17 janorary 2026 teo. Tompon’antoka tamin’ny harom-paosy tany an-toerana izy ireo. Mirongatra ny fitarainana momba ny harom-paosy ao amin’ny Tsenan’i Sabotsy. Nidina ifotony nanao fanaraha-maso ny polisy manao fanamiana sivily ka nahafahana nisambotra ireo zaza tsy ampy taona ireo. Efa nanao fanazarantena mahakasika io asa ratsy io izy rehetra ireo, ka tena mailaka. Nentina teny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) ao Antsirabe izy rehetra ireo miatrika fanadihadiana.

Partager sur: