Hotanterahina ny 26 avrily ka hatramin’ny 11 mey ny hetsika “Mission économique et commerciale au Canada” (Mecc), andiany fahafito, karakarain’ny Antenimieran’ny varotra Kanada-Madagascar (Cancham). Hetsika lehibe hampahanfantarana ny vokatra sy ny fandraharahana malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha ny iraka ara-toekarena, manampy amin’ny fifanakalozan’ ny roa tonta sady manitatra tsena any ivelany.
Nitondra tombontsoa marolafy amin’ny fandraharahana ny Mecc. Ny taona 2025, nandritra ny andiany fahenina, nahatratra 3 tapitrisa dolara ny vola azon’ireo Malagasy mpandraharaha, raha ny fanazavan’ny Cancham. Nitotaly 315 ireo Kanadianina mpandraharaha vonona hiara-kiasa amin’i Madagasikara. Ankoatra izay, orinasa malagasy miisa roa ihany koa no tafapetraka ao Kanada taorian’ny hetsika tamin’ny taon-dasa. ” Tsy mitsaha-mitombo ny vokatra azo tsapain-tanana”, hoy ny Cancham.
Soa fanararaotra
Nampivelatra ny tontolon’ ny fandraharahan’ny Malagasy ny hetsika. Maro ihany koa ireo nahatsangana fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka stratejika kanadianina. Araka izany, “manamora ny fidirana eo amin’ny tsena kanadianina ny Cancham amin’alalan’ny Mecc. Tanjona ny hanatsarana ny vokatra sy handrosoana lavitra kokoa amin’ny andiany manaraka”, raha ny fanazavana hatrany.
Henintsoa




