Hotanterahina ny 23 hatramin’ny 25 janorary 2026 ho avy izao ny hetsika « Salon du bien-être », andiany voalohany. Hetsika karakarain’ny Centre de Gaïa, etsy Androhibe. Miavaka ary mbola tsy fahita firy eto Madagasikara io tolotra io satria natokana ho an’ny tontolon’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny sy ny ara-tsaina ary ny fahasalamana anaty.
Mahatratra 40 ny isan’ireo mpitsabo handray anjara sy ho avy eny an-toerana. Maro ny lohahevitra hodinihina mandritra izany. Ahitana atrikasa sy velakevitra ihany koa eny an-toerana. Hanampy izany ny fanoroana ny tontolon’ny sakafo ara-pahasalamana, ny acupuncture, ny Qi Gong, sy ny maro hafa. « Tanjona ny hahafantarana ireo karazana fitsaboana misy sy azo atao eto Madagasikara sy manerana ny firenena hafa », hoy ireo mpikarakara nampahafantatra ny hetsika tetsy Androhibe, ny sabotsy lasa teo.
« Ahafahan’ny tsirairay mahita sy mamantatra ny maha izy azy manoloana ny tontolon’ny fahasalamana ny hetsika », hoy Rakotomalala Julia, mpanazatra Qi Gong, fitsaboana nentin-paharazana sinoa. Nambarany fa efa 20 taona ny tenany no tsy nandray sy nihinana fanafody vita vazaha, hatramin’ny fotoana nanaovany ity karazam-pitsaboana Qi Gong ity.
Marihina fa misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hitsidika izany. Manodidina ny 300 isa isan’andro ny mpitsidika andrasana ho avy amin’ ireo telo andro ireo.
Mino




