Nanendaka cash point : Lehilahy iray voasambotra tetsy Itaosy

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, afakomaly tamin’ny 10 ora maraina, ny lehilahy iray, 27 taona. Tratran’ny olona nanendaka mpanao cash point iray teny Antsahakely, fokontany Antsahamasina, kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto izy io. Mody niondrika tao ambadiky ny tsenan’olona iray ity olon-dratsy ity, talohan’ny nanaovany ny asa ratsiny. Nampidiriny moramora tao anatin’ny fitoeram-bolan’ilay mpanao Cash point ny tanany ary nalainy ireo vola tao anatin’ilay poketra. Lasany tamin’izany, ny vola mitentina 1 tapitrisa Ariary. Nahatsikaritra izany ilay tompona Cash point ka niantso vonjy tamin’ny manodidina avy hatrany. Naheno izany ilay olon-dratsy ka lasa nirifatra nitsoaka. Niezaka nanenjika ity farany ny fokonolona teny amin’ny manodidina ka voasambotra tsy dia lavitra teo ny tenany. Mbola namaly sy nanohitra ny fokonolona izy nandritra izany, ka efa nanomboka nahazo daka sy totohondry tamin’ireo olona.
Nampandresina avy hatrany ny zandary ka tonga nijery ny zava-misy sy nisambotra ilay olon-dratsy. Efa naratra noho ny daroka nahazo ity mpangalatra ity ary noentina teny amin’ny hopitaly. Hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny zandary ny tenany aorian’izay. Naverina tamin’ny tompony kosa ny vola voarobany taorian’ny fanamarinana.

Mino

Partager sur: