Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Imerinafovoany, kaominina ambanivohitra Talatamaty, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany. Niseho teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 09 + 500, teo amin’ny lalana mahitsy be anaty tanàna ny loza.
Moto roa, samy nanao taingin-telo, no nifanena teo amin’ny lalana mahitsy be, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso teny an-toerana. Nandeha mafy ary samy tsy nanaja ny ankavanan-dalana avy ireo kodiaran-droa ireo ka nifandona mafy. Nipitika sy nitsirara tamin’ny tany ireo kodiaran-droa sy ireo olona teny amboniny. Vokany, maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpandeha, noho ny hamafin’ny dona. Naratra mafy avokoa ny olona dimy ambiny hafa. Nentina namonjy hopitaly tetsy anivon’ny CHUJRA Ampefiloha avy hatrany izy rehetra taorian’ny loza. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ihany koa ilay namoy ny ainy.
Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Talatamaty rehefa nahazo antso mahakasika ny tranga. Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena, mbola nahenoana fofon’alikaola ny mpitaingina ireo kodiaran-droa ireo. Tsy mitsahatra manentana hatrany ny mpitandro filaminana fa tsy miaraka ny familiana sy ny fisotroana zava-pisotro mahamamo. Antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana amoizana aina ny tsy fanajana izany. Entanina ihany koa ny mpamily mba hanaja ny hafainganam-pandeha.
Mino




