Vondrona Vato : Handray anjara amin’ny raharaham-pirenena

Ho fiarovana ny tolona izay natao, nanao fanambarana tetsy Tsiadana, omaly, ny tanora nitolona rehetra teny an-kianja fa hanambatra ny hery ka hanangana ny vondrona Antoky ny tolona ho an’ny olom-pirenena (Vato). Araka ny fanazavana nataon’izy ireo, omaly, sehatra iray mampivondrona ireo tanora nitolona rehetra ny Vato. Tanjon’ity vondron-kery ity ny handray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena izay hatao ao anatin’ny ara-dalàna ary mifototra amin’ny firaisankina. «Mitaky ny fandraisan’anjaranay amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena izahay, handray andraikitra fa tsy hatao fakan-kevitra fotsiny ihany», hoy izy ireo, omaly, tao anatin’ny fanambarana.
Efa misy moa ny fitsipika anatiny izay hifampifehezan’izy ireo, ary efa nanao sonia izany avokoa ireo fikambanana samihafa nandritra ireny tolona ireny. Nomarihin’izy ireo fa hisy ny fifampiresahana hataon-dry zareo amin’ireo lehibena Andrimpanjakana toy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Praiminisitra ary ny minisitra isan-tsokajiny. Anisan’ireo mpikambana manamafy ny hery anatin’ity vondrona ity ny Gen Y Mada, Gen Z Mada­gasikara, Gen Z Ankatso, Gen Y Ofisialy, ny Antafa, ny Diaspora malagasy, ny Gen Actif Mada…

F. R

Partager sur: