Mifantoka amin’ny famokarana manaja ny tontolo iainana ny tantsaha any amin’ny lemaka Bas Mangoky, mirefy 25 ha, faritra Atsimo Atsinanana. Hanatrarana izany, maro ny fitaovana sy masomboly nozaraina, tamin’ny alalan’ny tetikasa « Tefiala », tohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (GEF) sy ny FAO, ny 16 janoary teo. Nanamafy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, fa ataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny tontolo ambanivohitra sy ny tantsaha amin’ny alalan’ny fampitaovana sy ny fampiofanana ary ny fanamboarana fotodrafitrasa.
Miisa 1 333 ny tokantrano, mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny tantsaha miisa 48, nisitraka fitaovana enti-mamokatra eo amin’ny 4 457 eo. Mahatratra 5 656 ny fitaovana hikarakarana ala. 60 enti-manondraka mandeha amin’ny herin’ny masoandro, hanondrahana ny zana-kazo sy ny tanimboly.
Nahatratra 40 ny fitaovana hiompiana tantely any anaty ala honko sy ala maina. Miisa 3 ny fitaovana maoderina hanatsarana ny fambolem-bary sy katsaka. Milanja 6 taonina ny masomboly vary voamarina. Miisa 376 000 ny taho mangahazo hanatsarana ny fambolena. 816 ireo hoenti manodina vokatra azo avy amin’ny ala sy ny fambolena ary ny toekarena manga. Misy koa ny fitaovana sy kojakoja miisa 1 244 hampiroboroboana ireo rojom-pihariana mitodika amin’ny tsena any Bas Mangoky.
Nankasitraka ny tohana ny tantsaha ary nanome toky fa ho tsara ny vokatra ary hiverina amin’ny laoniny ny ala voajanahary.
Njaka A.




