Hamaritra ireo rojom-pihariana stratejika, hamakafaka ireo sakana ara-pamokarana ary hamolavola vahaolana azo tanterahina « ny Dinika ho fanaingana ny toekarena » any amin’ny faritra. Hetsika izay atao manomboka androany ka hatramin’ny 23 janoary, eny amin’ireo renivohi-paritany. Hifanakalo hevitra, mandritra ireo telo andro ireo, ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny tantsaha, ny mpandraharaha ary ny mpiara-miombon’antoka.
Fandraharahana maharitra sy mateza ary mamokatra, fahafahana misitraka famatsiam-bola sy fanohanana ara-bola, fijerena ireo orinasa tsy misoratra ara-dalàna ary ny paikady ho an’ny fanaingana. Ireo no teboka efatra nivoitra nandritra ny dinika niarahan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra ara-toekarena nandritra ny atrikasa niendrika fifanakalozana ho an’ny « Dinika fanaingana ny toekarena » tetsy amin’ny CCI Ivato.
Zana-trondro tilapia miisa 5 000 no narotsaka ao amin’ny farihy Rasoabe, Manambolo- Brickaville. Tanjona ny hampihenana ny tsindry miantraika amin’ny fanjonoana an-dranomasina amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro maharitra sy ny famoronana asa maharitra ho fanampiana ny jono nentim-paharazana. Manampy ny tantsaha hahazo loharanom-bola sy hanatsara ny fari-piainany ny fiompiana trondro.




