Natomboka ny 17 janoary teo, tany Toliara, ny hetsika hiadiana amin’ny andiam-balala ho an’ny taona 2025-2026. Faritra enina no hanaovana azy, hampiasana ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety.
Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny paikady fanovana (PGE-R) eto amin’ ny firenena. Tafiditra anatin’ izany ny fahaleovantena sy ny fiarovana ara-tsakafo, ny fiatrehana ny rafi-pamokarana ary ny fiarovana ny velon-tenan’ny mponina. Misy ny fandaharanasa isaky ny 4 taona hiadiana amin’ny valala (2024-2028), tanterahin’ny Ivontoerana nasionaly miady amin’ny valala (IFVM), tohanan’ny FAO ara-teknika, ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ho an’ny taom-piasana 2025-2026, hahatratra 600 000 ha ny velaran-tany hiasana hisorohana ny firongatry ny andiam-balala. Faritra enina no voakasika, toy ny tamin’ny taona 2024 ihany, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony, Ihorombe ary Menabe.
Hampisaina ny fomba an-tanety sy ana habakabaka, hampahomby ny hetsika sy hiarovana ny famokaran’ny tantsaha. Misy ny fampiofanana ny teknisianina sy ny mpiasan’ny IFVM, hanatsarana ny fahaiza-manao mifanaraka amin’ny fenitra eto amin’ny firenena sy iraisam- pirenena.
Azo tarafina ny ataon’ny IFVM
Notsipihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, nandritra ny fanokafana ny fotoana, tany Toliara, fa azo tarafin’ny hafa ny fihetsiky ny IFVM. Tsy mikely soroka ny governemanta mandrindra ny rafi-pitantanana ara-panjakana sady mitsinjo ny vahoaka. Hanehoana ny fiandrianam-pirenena sy fiarovam-pirenena ny ady amin’ny andiam-balala. Izay no nampitomboana avo roa heny ny velaran-tany harovana amin’ ity taom-piasana 2025-2026 ity.
Tsiahivina, maherin’ny 300 000 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody ny taom-piasana 2024-2025, ka natao ana habakaba ny 288 000 ha raha 14 827 ha ny an-tanety.
Njaka Andriantefiarinesy




