Banky foiben’i Madagasikara: Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny FDS

Tontosa omaly, teny Antaninarenina, ny fanavaozam-piaraha-miasa eo amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS): ahitana ny Tafika, zandary ary polisy. Nanatrika izany ny governoran’ny Banky foibe, Andrianarivelo Aivo, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika (Cema), ny Jly Pikulas Démosthène, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (ComGN), ny Jly Mbina Mamelison Nonos ary tale jeneralin’ny polisim-pirenena (DGPN) ary ny Contrô­leur général de police Ravony Jean Victor Tsaramonina. Mi-zara roa ny fifanaraham-piaraha-miasa. Voalohany ny fiaro­vana ny masoivoho sy ny foibe. Faharoa, fiarovana ireo fiarabe mitondra vola eny an-dalana. Nampitandrina ny Cema fa volam-bahoaka sy fananam-panjakana ny vola kirakiraina amin’ny Banky foibe. « Tsy misangy amin’ny fiarovana ny fananana iombonana izay iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny mpitandro filaminana manao ny asany amin’ny maha matihanina azy ireo », hoy izy. Nanamafy rahateo koa ny ComGN fa volabe no kirakiraina sy apariakan’ny BFM manerana ny Nosy ka manana anjara toerana amin’ny fiarovana izany ny FDS. Marihina fa horaisin’ny polisim-pirenena indray amin’ny alalan’ny vondron-kery manokana (USI na Sakamainty) ny fiambenana ireo fiarabe mitondra vola raha ny GSIS no nisahana izany teo aloha.

Jean Claude

Partager sur: