VAOVAO TAMBATRA

Tale jeneraly vaovao hitantana ny Fadin­tsera­nana malagasy, Randrianjafy Antoine. Mahafehy sy mahalala tsara ny lanjan’ny toekarena sy ny ladoany ny tenany. Tanjony ny hanamafisana ny fanavaozana ho maoderina kokoa ny fitantanana ny haban-tseranana, ny ady amin’ny hosoka sy ny trafika tsy ara-dalàna
amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana, indrindra ny ady amin’ny kolikoly.

Hampiana baka fiampitana fanindroany any amin’ny renirano Ifasy, amin’ny lalam-pirenena faha-6. Vahaolana maika noraisina hampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izany. Efa tonga any an-toerana ity baka ity ary hanomboka hiasa tsy ho ela. Fepetra noraisina koa ny hanitarana ny ora fiasan’ireo tomponandraikitra. Maimaimpoana ny fiampitana.

Miisa 60 fototra ny zana-kazo nambolen’ny Dredd Sofia, tany Befandriana Avaratra, ny 20 janoary teo. Hazo fihinam-boa ny 4 amin’ireo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ity hetsika ity ny depiote voafidy tany an-toerana, Bernardin. Teo amin’ny sampanan-dalana fiviliana (croisement) fiviliana mankany Befandriana Avaratra no natao ny hetsika.

Partager sur: