Tale jeneraly Spat : Fitantanana atokisan’ny mpiara-miombon’antoka

Tontosa ny 21 janoary teo, tao amin’ny Port Academy Center Toamasina, ny famindram-pitantanana, hisahana ny orinasa misahana ny Seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Fitaterana (MTM), Raharisone Jean Crescent.

Tale jeneraly vaovao hitantana ny Spat Ran­driam­bahoaka Heritiana Ani­cet. Notsipihiny fa « fanehoana ny fifanohizana amin’ny raharaham-panjakana ny fifandim­biasan-toerana, toy izao fitantanana ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tsy ohatry ny fitantanana orinasa tsotra, fa foiben’ny fifanakalozana ara-barotra satria vavahadin’ny fanafarana sy fanondranana entana. Iankinan’ny fifanina­nana ara-toekarena. Fanamby lehibe horaisiko ireo tetikasa lehibe, manampy ny asa andavanandro, ao anatin’ny fitantanana mangarahara, atokisan’ ny mpiara-miombon’antoka ».
Niorina ofisialy ny taona 1927, raha ny taonjato faha-19 no efa nisokatra nifanakalo­zana ara-barotra tamin’ny any ivelany ny seranana ao an-toerana. Tale jeneraly faha-14, mitantana ny seranan-tsam­bon’i Toamasina, Randriamba­hoa­ka Heritiana Anicet. Ni­tantana ny Spat, nandritra ny 17 taona (2009-2026), ela indrindra, i Avelin Christian Eddy, DG faha-13.

Fanitarana
Tetikasa goavana atao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fanitarana azy, tohanan’ny Fiaraha-miasa japoney, Jica, nanomboka ny taona 2018. Mitentina 639 tapitrisa dolara ny asa, anisan’ny goavana indrindra aty Afrika, ka avy amin’ny Jica ny 65% (411 tapitrisa dolara) ary avy amin’ ny fanjakana malagasy ny 35% (227 tapitrisa dolara). Anisan’ ny asa goavana atao ny fanajariana velaran-tany 15 ha, hanatobiana ny kaontenera. Hitarina hatrany amin’ny 756 m ny halavan’ny toerana fandraisana ny sambo (quai) ary halalinina ho 16 m ny toerana fandraisana ny sambo vaventy.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: