67 Ha sy Alasora: Lehilahy telo tratra namaky trano sy nangalatra

Lehilahy miisa telo indray voasambotry ny polisim-pirenena omaly vao maraim-be. Tra­tra nangalatra sy namaky tranon’olona tetsy 67 Ha sy teny amin’ny kaominina Alasora izy ireo. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy ao amin’ny CSP7 67 Ha, izay nanatanteraka ny hetsika: « Opération ma­homby ». Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany na­nao ny fanadihadiana. Taorian’ ny fikarohana sy ireo angom-baovao teny an-kianja, voasambotra teny Ankasina ny iray tamin’ireo olon-dratsy, omaly, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany maraina. Nataon’ny polisy fanadihadiana izy ka na­noro ny namany mpiara-manao ny asa ratsy aminy. Vokany, voasambotra tetsy amin’ny fijanonan’ny fiara 67Ha Avaratra, tamin’ny 05 ora sy 50 minitra, ity farany. Tratra teny amin’izy ireo ny finday halatra miisa telo. Nahitana iPhone 13 Pro Max iray, iPhone 8 Plus iray ary Huawei iray.
Ankoatra izay, lehilahy iray hafa ihany koa tratra nangalatra tetsy Alasora, omaly maraina ihany. Raha ny vaovao voaray, nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy ity farany efa iray volana izay ary nandositra.
Nentina natao famotorana ao amin’ny Kaomisaria CSP7 sy ny kaomisaria Alasora moa izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ ny famotorana.

Mino

Partager sur: