Nahitsy ny depiote Razara Pierre Fidele, «Del kely», tao amin’ny fandaharany amin’ny radio fa tokony hafainganina ny fametrahana Tondrozotra avy amin’ny Malagasy. Notsindriny koa fa ho avy ny SADC sy ny soridalany raha mitavozavoza isika ka hataon’izy ireo dika mitovy amin’ny tondrozotra taona 2009. «Mila manana ny antsika manokana isika, mamaritra ny tena ilaina ary eken’ny vahoaka nandrodana ny jadona», hoy izy. Nanteriny ny tokony hamoahana tondrozotra vita malagasy mba tsy ho ny hafa no handrafitra izany. Niaiky ny tenany fa mafy ireo sehatra iraisam-pirenena «CI» ireo ary miandry kendry tohina fotsiny. Aleo miomana dieny izao, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa efa aman-taonany ny tolona natao teto ary nizakana ny zioga sy ny jadona. Tsy azo ekena, araka izany, ny dinika politika hamelana ny haha kandidà amin’ny fifidianana ireo nanao ny tsy nety teto. «Tokony hanana feo iray sy tsy hanaiky hitsabahan’ny hafa amin’ny fanapahan-kevitra ny rehetra, indrindra ny hitsipahana ny tsindry sy ny teritery kasaina hatao eto. Mila mailo isika ary tsy tokony ho variana», hoy ihany izy. Nohitrikitrihiny koa anefa fa tsy hoteren-ko masaka ny raharaham-pirenena na hanao tsianjery amin’ny teo aloha fotsiny ka hiady hevitra ho amin’ny fizaran-tseza. Tsy fotoan’ny kajikajy amin’ny toerana izao satria tsy namaha olana izany nanomboka tamin’ny Tetezamita 2009. «Aleo tena mifototra amin’ny olana nitranga nahatonga ny fiovan’ny fitondrana isika. Tsy isika indray no hamboly toetra tsimatimanota ka hamerina ny tsy mety tamin’ny 2009», hoy izy.
Natsidiny fa hiafara amin’ny fifidianana sy famerenana ny fitondrana amin’ny sivily ny Tetezamita. Nametraka fepetra anefa i «Del kely» fa tsy tokony hialokalofana ny fifidianana «tsy manilika sy tsy manavaka». «Tsy tokony ho anisan’ny hofidina ireo nambotry firenena sy nandroba ary tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy», hoy izy.
Synèse R.




