Madagascar Airlines : Hampiasa ny fiaramanidin’ ny Tafika

Hampiasa ny fiaramanidin’ny Tafika Malagasy, LET- 410, ny kaompania Madagascar Airlines. Hanamora ny fitaterana ny vokatra any an-toerana izany, ary koa ho an’ny fizahantany.

Voakasik’izany ny zotra ana habakabaka mampitohy an’i Toamasina, Sainte-Marie, Antalaha, Ma­roantsetra, Sambava, Antsi­ranana, Nosy Be. Nosan­tarina, omaly, ity zotra ity an­tsoina hoe Zébu Air. Fanda­haranasa entina hanamorana sady hanafainganana ny fivezivezena maharitra ho an’ny vahoaka, ny mpandraharaha sy ny mpisehatra ara-toekarena ny amin’iny tapany atsinanana sy avaratry ny Nosy iny. Hihena be ny fotoana lany, noho izany, satria mandany ora sy andro maro ny fitaterana an-tanety. Haharitra 35 minitra hatramin’ny 1 ora sy 15 mn ny faharetan’ny dia ana habakabaka.
Mahazaka mpandeha 19 ilay fiaramanidina LET-410, afaka miantsona amina seranam-piaramanidina kely, nefa manana ny lanja ara-toekarena sy sosialy.
Manana ny lanjany ara-toekarena ny tapany atsinanana sy avaratry ny Nosy. Toy ny fisian’ny vokatra lavanila, ny jono, ny fambolena, ny fizahantany ary ny fifanakalozana ara-barotra samihafa. Tanjona ny hampaharitra azy, hisian’ny zotra tsy tapaka sady mitohy. Hiroborobo ny fifampiraharahan’ny mpandraharaha (B2B), ny fikambanana samihafa, ny ONG, ny rafi-panjakana, ny mpandraharaha ara-pizahantany, sns. Nilaza ny tale ara-barotry ny Madagascar Air­lines, Andrianony Karl, fa: «dingana lehibe ny fisian’ity zotra ity. Isaorana ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Tafika ana habakabaka nanome ny fiaramanidina, hanohanana ny fampandrosoana eny ifotony».

Jenia miaramila
Nitokana ny seranam-piaramanidina any Antalaha, izay vao nohavaozina ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. An­koatra ity hetsika ity, nilaza koa izy fa ho vatsiana fitaovana ny Jenia miaramila, ha­nampy amin’ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa. Anisan’ny nanotrona azy ny minisitry ny Fitaterana, Ra­harisone Jean Crescent, ary olo-manankaja maro.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: