Fanitarana ny Agoa : Andrasana ny valin-tenin’ ny loholona amerikanina

Andrasana amin’ny faran’ny volana ny fanapahan-kevitry ny loholona amerikanina mahakasika ny fanitarana ho telo taona ny African Growth and Opportunity Act (Agoa). Ny herinandro teo, nanao ny adisisika sy ny ezaka rehetra handresen-dahatra ireo loholona amerikanina tany Washington ny delegasionina malagasy. «Mety hisy ny latsabato amin’ny faran’ny volana, izay mety hifanindry amin’ny fandaniana ny tetibola federaly amerikanina. Mbola mitohy ny fifampidinihana mba hampidirana ny Agoa ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Sénat, satria tena zava-dehibe ho an’ny roa tonta izany», hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny delegasionina malagasy.
Nisy, araka izany, ny fihaonana marobe nataon’ny delegasionina malagasy tamin’ireo mpanapa-kevitra ambony, mpanolotsaina ara-teknika, mpikambana ny loholona, indrindra ny tao amin’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny sy ny fitantanam-bola, notarihin’ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy hiarovana ny tombontsoa
amin’io sehatra io. Hiantohana ao anatin’izay ny hahazoan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny tombontsoa. Tsiahivina fa nankatoavin’ny Solombavambahoaka amerikanina ny hisitrahan’ny firenena afrikanina ny ity fandaharanasa ity hatramin’ny 31 desambra 2028. Fifanarahana ara-barotra manome fahafahana tsy misy haba hanondrananna vokatra avy amin’ny firenena afrikanina mankany Etazonia.

Henintsoa

Partager sur: