Nitohy tany Toamasina ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny momba ny fitantanana ny firenena.
«Avelao hiasa aloha ny mpitondra fa hotsaraintsika amin’ ny asany. Efa nisy asa maromaro vita tao anatin’ny roa volana fa mbola betsaka koa ny miandry », hoy izy. Anisan’ny notsindriny manokana, tamin’izany, ny fiatrehana ny ady amin’ny kolikoly. Hialana ny toe-tsaina tia kolikoly, araka ny nambarany. Nentaniny ny rehetra mba tsy hanatitra na hanome vola ireo mpiasam-panjakana fa raisin’izy ireny foana izany. Nohitsiny fa efa nomena tambiny sy nampiakarina 14% ny karaman’ ireny mpiasam-bahoaka ireny. « Aoka isika tsy hanazatra ny olona amin’izany. Mila miova toe-tsaina isika fa anisan’ny fanavaozana voalohany amin’ ny fitantanana ny ady amin’ny kolikoly », hoy ihany izy.
Anisan’ny nambarany koa fa tsy maintsy ahitana vahaolana ny delestazy. Nanontaniany ny mpiasan’ny Jirama tahaka ny nataony tany Antalaha farany teo ny olana. Tahaka izany koa ny amin’ny tokony hijerena vahaolana, miainga amin’ny ezaka hita maso.
Natsidiny fa ilaina ny famerenana tamberim-bidy amin’ ireo kaominina, anisany ny tetikasa Ambatovy.
Tsy giazana aty amin’ny foibe ny tombontsoa
Tahaka izany koa ny hananganana toeram-panofanana fanamoriana fiaramanidina ao Toamasina sy ny ivontoerana ho an’ny asa sy ny fandraharahana natao ho an’ny tanora. Nitohy tamin’ny fizarana fanampiana ho an’ ireo sembana sy marefo tany an-toerana izany ka nizarana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), niarahana tamin’ny minisitry ny Mponina, Rahariniriana Sidonie. Nojerena koa avy eo ny asa vita ao Barikadimy, toy ny fanatsarana ny jiro sy ny rano amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra. Ny fanavaozana ny lycée any an-toerana sy ny nanomezana fitaovana fitiliana ho an’ny laboratoara ao amin’ny hopitaly.
Nifampidinika amin’ireo tanora koa ny filoham-panjakana, anisan’ny nambarany tamin’izany fa ilaina ny fampiharana ny fisinjaram-pahefana tena izy. « Tsy tokony hogiazana any amin’ny fitondram-panjakana foibe intsony ireo tombontsoa samihafa », hoy izy.
Synèse R.




