Niravona ny disadisa teo amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, sy ny depiote Tinoka Roberto. « Nisy tsy fifankahazoana teo aminay. Efa voavaha sy efa naravona izany. Niverina ny fifampitokisana sy ny fifanajana, ary miorina tsara indray ny fihavananay », hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity.
Nangataka ny handinihina indray ny didy nampidirana am-ponja azy, Ravatomanga Mamy. Nambarany amin’ny fangatahana eo anivon’ny Fitsarana an-tampony ao Maorisy fa tsy ara-drariny sy tsy voahevitra izany didy izany. Eo koa ny aretim-pony sy ny fizahana natao azy ary ny fepetra tsy mifanaraka amin’izany noho ny fitazonana am-ponja
Nambaran’ny Jly Ramakavelo fa ilaina ny fanovana ny mpikambana amin’ny HCC raha takin’ny Fanavaozana izany. « Tokony hatao ao anatin’ny fanarahan-dalàna anefa izany », hoy izy. Tsiahivina fa niely be ny feo hanonganana ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent. Mbola nikatona ny birao etsy Ambohidahy, hatramin’ny omaly.
Nanambara ny fiampangana ny depiote Sahondrarimalala Marie Michelle ny minisitra, Fanirisoa Ernaivo. Nolazainy fa nohadihadiana noho ny fikasana hanakorontana sy fanodinkodinam-bola io minisitra teo aloha io. Hita tao anaty ordinatera ny porofo ka nampidirana am-ponja azy. « Narahina avokoa ny dingana sy ny fepetra ary ny lalàna », hoy izy.




