Maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, Sadabe, ny zazalahikely vao efa-taona monja, ny 22 janoary hariva teo. Variana niasa teny an-tsaha ny ray aman-dreniny, nandeha nilalao rano ilay zaza.
Zazalahikely iray, vao efa-taona, maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva tany ho any. Namita asa fambolena teny an-tsaha ny ray aman-drenin’io zaza io, ny alakamisy 22 janoary 2026 teo, tokony ho tamin’ny 05 ora hariva. Navela nipetraka tamin’ny toerana iray io zaza io nandritra izany. Variana niasa ireo olon-dehibe nefa nandeha nilalao teny amoron-drano ilay zaza. Latsaka tampoka anefa izy ka lasan’ny rano. Efa teo amin’ny 15 minitra taorian’ny nianjeran’ilay zaza tao anaty rano vao nahatsikaritra ny tsy fahitana ny zaza ireo ray aman-dreniny. Natao ny fikarohana ary hita tao anaty rano ilay zazalahikely, efa tsy nahatsiaro tena intsony. Nihazakazaka nandeha namonjy toeram-pitsaboana, teny anivon’ny CSB II Sadabe ny ray aman-drenin’ny zaza niharam-boina. Natao ny fizahan’ ny mpitsabo azy ary fantatra fa efa tsy avotra intsony ny ainy. Nikarapoka sy nidona mafy tamin’ny vato nentin’ny rian-drano ny lohan’ilay zaza ka antony nitarika tamin’ny fahafatesany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nahitana vaky teo amin’ny lohan’ ilay zaza noho ny dona mafy nahazo azy tao anaty rano.
Tsy nampandre zandary
Tsy nampandre ny teo anivon’ny fokontany sy ny quartier-mobile ary ny zandary ireo fianakaviana nanana ny zaza maty tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io. Noho ny tsy fahalalan’izy ireo fa tokony hampahafantarina ny zandary ny toe-javatra tahaka izany ny antony raha ny fanazavana voaray. Ny fokonolona teny an-toerana nisehoan’ny tranga no nampandre ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Sadabe, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy sasany. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo, taorian’ny antso. Efa teny an-dalana handeha hody nitondra ny razana an-tongotra teny akaikin’Ambatofisaorana, kaominina Sadabe, izy ireo vao tratran’ny zandary. Marihina fa 28 kilometatra mahery miala ny biraon’ny tobim-paritra Sadabe ny toerana nisehoan’ity tranga ity. Manentana ny ray aman-dreny hatrany ny mpitandro filaminana mba ho mailo sy tsy hamela irery ny zaza sy ny ankizy, hisorohana ny tranga tahaka izao.
Mino




