Lehilahy iray, tokony ho 40 taona, maty tampoka tetsy amin’ny tsenan’Andravoahangy, omaly maraina. Mbola hitan’ny olona nandehandeha teny an-toerana izy talohan’ny fotoana nitrangan’ny loza. Naka aina sy nipetraka ary natoritory teo amin’ny sisin-dalana izy. “Vetivety teo, niantsambotra izy ary toa ireny olona miala aina ireny”, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana. Nojerena sy notsapaina, efa tsy nisy aina intsony taorian’izay. Nampandrenesin’ny fokonolona ny mpitandro filaminana sy ny sefo fokontany teny an-toerana. Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena taorian’ny antso, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana. Taorian’izay, nalain’ny avy ao amin’ny BMH ny razana, ary naterina teny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha. Tsy mbola fantatra ny fianakaviany tamin’ny fotoana nialan’ny razana teny an-toerana.
Raha ny fanazavan’ny olona teny amin’ny manodidina, mpisotro toaka matetika io lehilahy namoy ny ainy tampoka io. Mbola hitan’ny olona mamo ihany koa ny tenany afakomaly alina, talohan’ny tranga. Mpikarama mibata entan’olona eny amin’ny tsenan’Andravoahangy izy io, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nambaran’ny olona hatrany fa tsy manambady ary tsy manan-janaka izy io.
Mino




