Anatin’ny asa fanarenana hatrany ny voina navelan’ny rivodoza Gezani ny Malagasy. Efa mandeha ny tolo-tanana avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Efa mazava rahateo ny fitsipi-dalao nosoritan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Anatin’ny mangarahara tanteraka ny fitsinjarana sy ny fitantanana ny fanampiana ho an’ny traboina. Tsy hilefitra amin’ny mpandika lalàna ny fitondrana.
Mahavelombolo ity fehezanteny farany avy amin’ny Praiminisitra ity. Hatramin’izay manko toa mahavariana ihany ny mahita ny fizotra ny fizarana ny fanampiana. Ny fihetsiketsehana ivelany toy ny fitaingenana fiaramanidina sy ny fiara raitra tsy mataho-dalana no lafo kokoa noho ny fanampiana izay haterina. Matetika ny tambin-karaman’ny mpamita iraka no midangana be.
Izany ny fanavaozana andrasana amin’ny mpitondra sy ny nomem-pahefana hikirakira ny fanampiana ny traboina. Mampametra-panontaniana ny mahita ny sasany toa lasa mpanefoefo tampoka ambon’ny fahavoazan’ny mpiray tanindrazana. Zary mahamenatra ny zava-mitranga teo aloha. Sanatria ny ory hava-manana fa mba olona manam-panahy daholo. Mila fandinihan-tena.
Amin’ny ankapobeny, rariny sy hitsiny ny fihazakazahana mitondra ny voin-kava-mahatratra ho an’ny mpiara-belona. Zava-dehibe ny fandavan-tena midina ifotony sy mitondra ny anjara biriky. Manan-danja tokoa ny fifanohanana anatin’ny sarotra. Zava-dehibe ny fahafahana manatrika imaso, sy mahita ny tena marary. Zava-dehibe no ho izany ny fanaovana ny asa am-pitiavana, lavitry ny kajikajy ara-tombontsoa.
Efa misy ny ezaka! Saingy mila hamafisina ny fahadiovam-po. Izany no hatao hialana amin’ny fifanomezan-tsiny sy ny fiampangana diso toerana. Izay manao an-kafaliana sy amim-pitiavana hatrany no afaka misitraka ny valim-pitia tsy ampoizina. Izay rahateo no mahatonga ny fomba fiteny mahazatra fa ny soa atao levenam-bola. Atao tsy misy takalony!
r.r




