TARATRY ny KANTO

Rehefa tojo ny hafahafa, mihiratra ihany ny maso. Manomboka mipoitra matetika any anaty tambanjotran-tserasera maro ireo endrika heverin’ny Malagasy fa manimba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Iharan’izany tsy miato ny tontolon’ny hira. Tonony, feony, sns, samy tsy misy fotony (fototra) avokoa. Taitra sy mifoha ilay maha Malagasy, saingy, toa miandry zavatra «hafahafa be» vao samy maneho ny heviny : sorena, tezitra, mitsiky tsy ravo, sns.

Mangina hatrany ny manam-pahaizana ? Mila beazina hiaina indray ny lamina nomen-Janahary azy ny Malagasy. Ampifanarahina amin’ny vanim-potoana ankehitriny izany. Mila miteny ny mpandalina ny tantara sy ny fomba. Ireo mahatahiry ny fomba amam-panao. Mpikaroka sy mpanabe, nianatra sy nandalina ny maha Malagasy, sns. Mila miteny manoloana ny zava-tsy mety any amina sehatra ahitana izany.

Sao tokony hovaina na tsy hampiasaina intsony ny «zavakanto» ? Na, omena ny anarana manandrify amin’ny zava-misy ny tsirairay amin’ireo. Mpitendry zavamaneno, mpamoronkira, mpihira, sns, fa tsy atao an-kitapo iray «mpanakanto». Raha ny zava-misy ankehitriny mantsy. Tena «kanto» tokoa ve ny ataon’
ireny antsoina hoe «mpanakanto» ireny ? Sao sanatria heverina ho tsy mahay manavaka ny kanto sy ny «tsy kanto» ny Malagasy ?

Partager sur: