Adin’ny mpivady: notondrahana rano mangotraka i Sendra

Notondrahan’ny vadiny rano mangotraka sy nokendaina i Sendra, monina etsy Ambohimiandra, boriborintany II. Potika ny vatany, tsy afaka mampinono ny zanany vao herintaona izy.

Mampivarahontsana! May kila ny hodi-tava hatramin’ny faritry ny kibony, io no vokatry ny herisetra nataon’ny vadiny an’i Sendraniaina, ny zoma lasa teo. Renim-pianakaviana iray mipetraka ao Ambohi­mian­dra. Tsy an’asa Ralehi­lahy vadiny. Tojo tsy fahasalamana ramatoa, kanefa mbola mitaiza kely, zaza vao herintaona. “Tsy nisy sakafo nohanina tao amin’izy ireo ka nangataka hody amin’ny ray aman-dreniny aloha i Sendra, izay mampinono”, hoy i Tsiory, anadahin’ilay lasibatra. Tsy nanaiky izany anefa rangahy vadiny ka raikitra ny ady tao an-tokantrano. “Efa matetika tsy an’asa io vadiny io, ka nikiry hody ihany i Sendra”, araka ny fanamafisan’ny anada­hiny.

“Nikasi-tanana an’ity va­diny avy hatrany ralehilahy. Nobatainy ny vilany nisy rano mangotraka ka natondrany tamin’i Sendraniaina, renin-janany. Niantso vonjy tamin’ ireo manodidina ity farany. Tsy vitan’io, mbola noken­daina saika ho taperin’ilay vadiny ny ain’ity renim-pianakaviana ity. Nifamonjen’ny fokonolona i Sendra ka avotra ihany.”, hoy hatrany ny fijoroana vavolombelona nataon’ ny havany, nandritra ny fanadihadiana natao teny amin’ny hopitaly, omaly.

Manan-janaka lahy kely herintaona

Efa mahatsiaro tena ny lasibatra saingy mbola anatin’ ny fitsaboana tanteraka. An­koatra ny fahavoazany, mijaly tsy afa-minono ny zanak’ity niharan-doza ity amin’izao fotoana izao. Noho ny ratra mafy vokatry ny fahamaizam-batan’ny reniny, tsy afa-manao inon’inona sy tsy misakafo i Sendra. Ny alahady maraina, roa andro taorian’ny voina, vao tonga teo am- fianakaviany ity renim-pianakaviana ity. Nidi­tra tao amin’ny sampana vonjy aina avy hatrany izy. Mialoha izay, efa nentina nialana nenina tamin’ny mpanao ody may izy. Mbola “sérum” no solon-tsakafo ho an’ity vehivavy 21 taona noho ny vavany, tsy afaka misokatra.

Hitory ilay nahavanon-doza ny fianakaviana

Hitory ny nahavanon-doza ny fianakavian’i Sendraniaina. “Tsy hanaiky ary tsy hipetraka fotsiny satria tsy rariny izao zava-mihatra amin’ny anabavinay izao”, hoy i Tsiory, anadahiny. Araka ny fanamafisan’ ity farany, efa fanaon’ilay lehilahy ny mikasi-tanana an’i Sendra. “Tokantrano fihafiana ka niaritra tao izy saingy tsy zakany intsony taty aoriana”, hoy ny anadahiny. Miantso ny fitondram-panjakana sy ireo tomponandraikitra misahana ny herisetra ao an-tokantrano hijery ifotony izao tranga izao ireo fianakaviany.
Henatra anatrehan’ny fiarahamonina

“Adinon’ilay lehilahy va­diny ny fifankatiavana teo amin’izy roa satria nafana loatra ny hatezerany”, raha ny nambaran’ny manam-pahaizana manokana momban’ny fitsaboana saina etsy Anja­namasina, Dr Nambinintsoa Andrianarison. “Mety henatr’ ilay lehilahy vadiny eo anatrehan’ny manodidina ny ha­mela ireo vady aman-janany hody ka nahatonga azy nanao­nao foana”, hoy izy. Azo soka­jiana ho fotoana nanararaotan’ io lehilahy vadiny io hanehoana ny tsy fitiavana ilay vehivavy in­tsony koa anefa ilay herisetra.
Hisorohana izany, nomarihiny fa mila mivonona amin’ ny rehetra ny tanora vao tokony hiditra anatin’ny tokantrano. “Mananika ny faha-25 taonany mahery vao tokony hiroso amin’ny sehatry ny fanambadiana ny tanora”, hoy ity mpi­tsabo ity. Afaka handinika sy hamakafaka lalina ny fanapaha-keviny ny mpivady.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: