Varotra tanin’ny kaominina: olona 13 mianadahy hiakatra fitsarana

Ben’ny Tanana teo aloha iray sy mpiara-miasa taminy 12 mianadahy tao Toamasina no hiakatra fitsarana miady amin’ny kolikoly, eny 67 ha. Nampangaina ho nivarotra tany sy tranon’ny kaominina miisa 144 izy ireo.

Tsy mbola nangina, tsy mbola vita akory ny raharaham-pitsarana mikasika ny fivarotana tsy ara-dalàna ny tany sy tranon’ny kaominina tao Toamasiana ny taona 2015 hatramin’ny 2020. Hitodika eny 67 ha indray ny mason’ny rehetra! Araka ny fiantsoana laharana faha 048 –RP/PAC/22IP/ TCO/S2/ABF-FAU-011-CO/J3/PAC/22, navoakan’ny fitsarana manokana miady amin’ny Kolikoly na ny PAC, dia hisy mpiasan’ny kaomi­nina miisa 13 mianadahy no hanaovana famotorana eny anivon’ny PAC “Immeuble Cnaps 67 ha”. Manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny fihainoana azy ireo ao amin’ny rihana fahadimy, ny alatsinainy 13 febroary 2023 ho avy izao.
Tsiahivina fa, famotorana tokony ho natao ny 12 ka hatramin’ny 16 septambra 2022 lasa teo ity hotantera­hina amin’ny fiandohan’ny herinandro ity. Hifantoka amin’ny fitsirihana ny mety ho fisiana kolikoly sy ny fitantanana tsy araka ny tokony ho izy nandritra ny fotoana nitondran’izy ireo no votoa­tin’ny fakana ambavany. Ani­san’izany ny fivarotana tany sy tranon’ny kaominina ta­min’ny fomba tsy ara-dalàna miisa 144. Eo ihany koa ny fanodikondinana ny fitao­van’ny vondron’ny mpamono afo, ny “ivoire” izay tafiditra amin’ny harem-pirenena tsy misy manana firy intsony.

Lanin’ny filankevitry ny tanàna

Efa tafiditra tao amin’ny lahadiniky ny filankevitry ny tanàna nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa ny 19 oktobra hatramin’ny 05 no­vambra ny taona 2021 ny fandinihana ireo fananan’ny kaominina : trano sy tany nami­din’ny fitondran’ny ben’ny Tanàna tao Toamasina ta­min’izany fotoana, nandritra ny fotoana nitantanany sy ireo ekipany.
Vokany, lany tsy nisy ni­tsipaka fa haverina amin’ny kaominina avokoa aloha ireo tany sy trano voalaza etsy ambony ireo. Tsy nety tontosa anefa ny raharaham-pitsarana.
Andrasana, araka izany, ny tohin’ny famotorana rehetra amin’izao fandalovan’ny raharaha eny anivon’ny PAC izao.

Sajo/J.C

Partager sur: