Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana sady minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy miova ny fanapahan-kevitr’i Madagasikara. Toy ireo firenena tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa, manoloana ny ady any Ukraine amin’izao fotoana izao. Mametraka eo amin’ny ny toerany maha izy azy amin’ny maha Nosy azy i Madagasikara. Nefa Nosy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny.
Nilaza ny Ceni fa ny fanaraha-maso ny lisitry ny mpifidy no antoka amin’ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny fangaraharana, manoloana ny filazan’ny antoko politika sasany fa tsy azo antoka ny lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao. Tsy vitan’ny fitenenana ambony latabatra na fanambarana ny fiantohana ny fahamarinan’ny lisitry ny mpifidy, fa mila izay fanaraha-maso izay
Miantso famelan-keloka ny filohan’ny Repoblika tamin’ ny fahatsiarovana ny “Raharaha 7 febroary 2009”. Andriamanitra hamaly ny ratsy sy ny tsara natao. Mba tsy hanaiky ny fampisaraham-bazana ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry, fa hatambatry ny fitiavan-tanindrazana ary hijoro hatrany
amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ho resy ny fahantrana sy ny fahavalo, rehefa misy ny firaisankina.
Nanambana hanao fitokonana mafimafy kokoa noho ny teo aloha ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM). Antony ny tsy famaliana ny fitakiana nanaovany fitokonana tamin’ny taon-dasa, ny amin’ny fanapahan-karama tsy ara-dalàna, ny tambin-karama tsy azo na nahazo isa tsara
aza tamin’ny asa. Hisy ny fivoriamben’ny sendikà amin’ny 24 febroary ho avy izao, hanapahana izay hatao.
Amin’izany rehetra izany, mila mijery lavitra amin’izay atao amin’izao?
R. Nd.