Nitohy tany Mahajanga, rehefa avy nandalo tao Ambato Boeny ny fidinana ifotony nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny faran’ny herinandro teo.
Nambarany nanoloana ny vahoaka sy ireo ben’ny Tanàna fa tsy misy hahatohitra ny fampandrosoana rehefa miray hina sy miray fo. “Aoka tsy hanaiky ho zarazaraina. Miaraka, miray fo aminareo izahay na amin’ny sarotra na amin’ny mora. Tsy mifanary isika”, hoy izy. Nanteriny fa tsy ho hadino koa ny kaominina, ankoatra ny efa nilazany fa tsy misy distrika ho hadino izany.
Notoloran’ny filoha ordinatera, “Onduleurs, panneaux solaires”, miaraka amin’ny moto ireo ben’ny Tanàna tamin’izany. Nanotrona sy nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina, noho ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso, ny tenany . Nambarany fa halefa eny anivon’ny distrika manerana ny Nosy ary mijanona 15 andro any amin’ireny toerana ireny ny “Caravane médicale”, iarahana amin’ny fikambanana Fitia tarihin’ny vadiny, Rajoelina Mialy.
Ho lasa lavitra isika…
Natao hilitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny tranon-jaza, ny diabeta, fizaham-pahasalamana maimaimpoana. Nanterin’ny filoha fa tsy maintsy mifampitsinjo sy mifanohana amin’ny andro sarotra. Notolorany vary, masomboly, menaka, savony sy ny maro samihafa koa ireo traboina any an-toerana ho mariky ny fifampitsinjovana.
Ankoatra izany, nampanantena ny filoha fa hotokanana tsy ho ela ny “Gymnase” lehibe tahaka ny any ivelany ho an’ny vahoakan’i Mahajanga. Efa ho vita koa ny kianja “Synthetique” ka ho entina any ny mpilalaon’ny Barea hitokana izany, araka ny nambarany. “Lasa lavitra tahaka ireny isika rehefa manampy ny mpilalao ny filoham-pirenena. Ataontsika tahaka izany koa ny firenena”, hoy izy.
Nihaino ny olan’ny fananantany tao Mahajanga koa ny filoha avy eo. Nambarany fa ho arahina akaiky ny momba izany, ankoatra ny efa nanomezany avy hatrany ny vahaolana ho an’ireo rava trano ka hanomezana tany hanorenana miaraka amin’ny fampitaovana. “Miaro ny ara-dalàna sy ny rariny aho”, hoy izy.
Synèse R.