Hisorohana ny areti-mifindra : CSB 1 000 nisitraka fitaovana

Nanome fitaovana ilain’ireo tobim-pahasalamana ma­ne­rana an’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa MCGL, i Etazonia. Nahitana lamba azo averina ampiasaina hisorohana ny areti-mifindra, ho an’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 1 000 izany. Manampy izay ny lamba tsy afaka averina ampiasaina ho an’ny hopitaly miisa 35 miampy ireo fitaovana natolotra. Eo koa ny fitaovam-piasana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ilaina amin’ny fanarahana sy fandrindrana ny fandraisana an-tanana ireo marary.
Vokatra andrasana amin’­ izany ny fiterahana azo antoka kokoa, ny fisorohana ny areti-mifindra ary ny fanatsarana ny rafitra fitantanana angon-kevitra momba ny fomba fiasa. Midika izany fa hihena ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, indrindra any amin’ireo faritra ambanivohitra sy saro-dalana.
Manampy amin’ny fiatrehana ny aretina sy ny fisorohana ny fihanaky ny areti-mifindra tsy hipaka hatrany amin’ny sisintany amerikanina ny rafi-pahasalamana matanjaka, ka hahatonga ny firenena roa tonta ho azo antoka kokoa.
Hentitra ny fanaraha-maso ity fanampiana vonjimaika sy efa voafaritra ho an’ireo tena mila azy ity mba hiantohana ny tamberin’andraikitra amin’ny mpandoa hetra amerikanina. Ny fanampian’i Etazonia dia sady manampy an’i Mada­gasikara amin’izao fo­toana izao no mikendry ny hanohana azy ho lasa firenena mahavita tena sy tsy miankindoha amin’ny fanampiana avy any ivelany.

Tatiana A

Partager sur: