INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, ny minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Anisan’ireo mpisehatra lehibe amin’ny fikarohana momba ny tontolo iainana eto Madagasikara izy ireo. Miara-miasa ihany koa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy hanatanteraka ny hetsika mitondra ny lohateny hoe: « Fikarohana manakaiky vahoaka », hotanterahina ny 5 sy 6 jona ho avy izao, eny Analakely. Tanjona ny hanasongadinana ny vokatry ny fikarohana ara-tsiansa, hampanakaiky ny siansa amin’ny vahoaka. Eo koa ny hampiroborobo ireo hetsika miaro sy manaja ny tontolo iainana, manodidina ny sehatry ny siansa, kolontsaina ary fanatanjahantena.

Hiresaka momba ny Burn-out au travail ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, iarahany amin’i Manorintsoa Ny Avo – Psychologue Clinicien, ny 2 mey ho avy izao. Ny atrikasa dia natao ho sehatra azo antoka hihainoana sy hianarana ary dingana voalohany hikarakarana ny fahasalamana ara-tsaina. Tsy fahalemena ny miteny hoe reraka ianao, fa herim-po ny mitady fanampiana. Tonga tsikelikely ny burn-out fa tsy tonga tampoka amin’ireo olona tena miezaka, indrindra ireo tena manome ny heriny rehetra. Tafiditra amin’ny Andro natokana hankalazana ny fetin’ny asa ny hetsika.

Partager sur: