Hatao ny 9 novambra 2023 ny fihodinana voalohany ary ny 20 desambra 2023 ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nankatoavin’ny HCC izany tolo-kevitry ny Ceni izany.
Taorian’ny nanoloran’ny HCC antontan-kevitra mirakitra ireo tetiandro momba ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena 2023 teo anivon’ny governemanta, andrasana ny didim-panjakana hahafahana manatanteraka izany, araka ny lalàm-panorenana.
Nankatoavin’ny eo anivon’ny fitsarana avo momban’ny lalàmpanorenana (HCC) ny tolo-kevitra avy eo anivon’ny Ceni mahakasika ny fanatanterahana ny fifidianana ho an’ ity taona ity, omaly. Mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana avokoa ireo daty voatondro hanantanterahina ny fihodinana voalohany sy faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Araka ny natolotry ny Ceni, ny 9 novambra ho avy izao no hanatontosana ny fihodinana voalohany raha toa ka ny 20 desambra ho an’ny fihodinana faharoa. Tokony hotanterahina anatin’ny 19 novambra hatramin’ny 19 desambra ny fifidianana fihodinana voalohany, araka ny lalàm-panorenana. Misy koa ny lalàna manambara fa tokony hatao amin’ny vanim-potoana maintany ny fifidianana.
Naroso folo andro
Hisorohana ny fifidianana anatin’ny andro ratsy, naroson’ny Ceni folo andro, izany hoe ny 9 novambra 2023 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana. “Tsy misy tokony hoe tsy afa-mifidy noho ny fahasahiranana vokatry ny toetr’andro na tondra-drano. Toy izay koa ny kandidà: samy afa-manao fampielezan-kevitra ao anatin’ny maintany”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny datim-pifidianana. Azo atao amin’ny 20 desambra kosa, ny fihodinana faharoa. Mbola anatin’ny fotoana tsy tena misy orana izany. Raha tsiahivina, “ny nahatonga anay nanoratra any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mba hanamafisan’ny HCC izay eritreritray izay. Satria heverinay fa rariny sy ara-dalàna izay”, hoy izy.
Tsiferana R.