Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny manampahefana ao Toliara ny mponina. Milaza ireto farany fa tsy misy ny fandraisana andraikitra, manoloana ny tsindry ataona vazaha iray.
Manao antso avo amin’ ny mpitondra fanjakana ny mponina ao Toliara, indrindra ny avy any Mangily amin’ny tsindry hazolena manjo azy ireo. Ampangain’ny mponina any an-toerana ho mampihorohoro azy ireo ny teratany vahiny iray, tompona hotely lehibe any an-toerana. Mainka manampy trotraka, ny tsy fahafahan’ny mponina mitaraina. Tsy afaka ny miandrandra fanadihadiana matotra sy madio ary mangarahara ihany koa izy ireo, raha mba mametraka fitoriana. Mitaraina amin’ny hafitsoky ny manampahefana any an-toerana toy ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ny vahoaka.
Efa nisy ny fihetsiketsehana nataon’ny mponina avy any Mangily sy avy ao Toliara, nanoloan’ny fitsarana, nanehoana ny alahelony. Torak’izany ny filanjana sora-baventy, nandritra ny fitsidihan’ny ambasadaoro frantsay tany an-toerana. Tsy nisy vokany anefa ny fitakiana.
Kolikoly ?
Anisan’ny tena mampikaikaika ny mponina ao Toliara ity fitanilana diso tafahoatra tsy ara-drariny ataon’ny manampahefana ity. Manahy kolikoly avo lenta ny mponina. Na mandrirarira ny mpitandro filaminana na manao fanerena an-kolaka ny mpitory mba hisintona ny antontan-taratasiny. Tranga farany, nampikaikaika ny mponina ny fisian’ny taratasy avy amin’ny fampanoavana, saingy tsy misy manatanteraka izany ny mpitandro filaminana. Nivadika aza ny rasa, tamin’ity tranga ity, ny mpitory indray no sahirana.
Raha ny vaovao voaangona, tsy vao sambany no manao izay danin’ny kibony ity teratany vahiny ity. Efa voaroaka teto Madagasikara indroa miantoana izy, toy ny tamin’ny taona 2009. Antony nandefasana azy nody, ny fisetrasetrana sy fanaovana tsinontsinona ny mpiray tanana aminy hatrany. Marihina fa tsy ampy herintaona akory, tafaverina eto Madagasikara izy ary manohy ny ramatahora sy ny tsimatimanota, araka ny loharanom-baovao any an-toerana hatrany.
Tsy manan-kambara
Manoloana ny fanenjehana ny mpiasam-panjakana, indrindra ny mpitandro filaminana. Nisy ny antso an-telefaonina natao mahakasika ity raharaha ity. Nilaza ny tsy afaka ny miresaka amin’ny mpanao gazety ireo manamboninahitra raha tsy misy ny fidinana ifotony any an-toerana. «Saro-pady ny vaovao tahaka itony. Aoka tsy hihaino feon-dakolosy tokana ianareo. Rehefa avy mihaino izay olona voakasika rehetra ianareo dia afaka ny miteny izahay raha misy ho tenenina.», hoy izy ireo. Tantara mitohy !
Randria