Nisaoran’ny filohan’ny Repoblika ireo mpikamban’ ny governemanta tamin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly. Nametra- pialana miaraka tany ambadika? Tsy azo ihodivirana ny fanamboarana. Etsy andaniny, miandry na nampiandrasina izany ireo minisitra nametra-pialana mitokana tany am-boalohany, araka ny loharanom-baovao azo. Amin’izay vao hivaly ny disadisa sy ny visavisa tamin’ny fikasan’ny depiote 105 nangataka latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta? Nandamoka tamin’ny fotoana farany izany noho ny fifandaminana anatiny.
Anisan’ny nampiaka-peo ny depiote ho antony sy fototry ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny sosialim-bahoaka sempotry ny tsy fandriampahalemana, fidangan’ ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Karazany namaly izay rahateo ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fanombohan’ ny fambolen-kazo tany Ilaka Atsinanana, Vatomandry, ny 28 janoary.
Ho governemantan’ny sosialim-bahoaka izany no hajoro? Mila midina ifotony mamaha ny olana sy mihaino ny hetahetam-bahoaka ireo minisitra; eny, na ho tohizana aza ireo fotodrafitrasa efa natomboka.
Tsy latsa-danja ny fiatrehana fifidianana
Na eo aza izay, tsy latsa-danja ary lehibe fa miantoka ny hoavy ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika 9 novambra sy 20 desambra raha misy ny fihodinana faharoa. Iza ireo minisitra maharaka sy mahatanteraka ny vinan’ ny filohan’ny Repblika? Indrindra amin’ny fiatrehana fidianana… Misy ny tsy maintsy hosoloina. Tsy hiova, ohatra, ny Praiminisitra, matoa tsy ny governemanta no nisaorana? Ao ny tsy maintsy fenoina fa banga ny toerana toy ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Mandeha koa ny resaka ny amin’ny fametraham-pialan’ny minisitry ny Asa vaventy, ohatra.
Anisan’ny miantoka ny fandresena amin’ny fifidianana ny fahombiazana amin’ny sosialin’ny vahoaka… tompon’ny teny farany? Zava-dehibe koa ny fiatrehana mivantana ny fifidianana. Mila olona resy lahatra sy maharesy lahatra, mpikatroka tsy mivadibadika, mijery lavitra… Tsy ilaozan’izay mitady hitsambikinana? Na mahatsapa tena ho tsy nahavita ny fanamby amin’ny asa mivaingana, azo refesina, miantraika mivantana amin’ny vahoaka… Governemanta hanao ahoana no hajoro? Miandry ny rehetra. Ho hita eo…
R. Nd.