Naiditra vonjimaika am-ponja ao amin’ny fonjan’i Nosy Be Hell-Ville, afakomaly, ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy vao 4 taona. Tranga niseho tany amin’ny fokontany Ambodivoanio, Kaominina Nosy Be Hell-Ville, ny 10 jona 2026 lasa teo. Niaiky ny heloka nataony izy nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy.
Hita nibahana vavahadin’olona tetsy Alasora, afakomaly, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 27 minitra, ny fiara kamiao iray nisy nangalatra tany Moramanga. Nibahana ny vavahadin’olona io fiara io ka nampandre ny mpitandro filaminana ny mponina. Tsy nisy mpamily sy tompon’andraikitra tao anatin’ilay fiara nandritra izany. Efa naverina tamin’ny tompony izay orinasa mpanao lalana amin’ ny RN2 izy io.
Tafaverina soa aman-tsara tamin’ny ray aman-dreniny, afakomaly, ny zazalahikely 05 taona nisy naka an-keriny tany Ankoririka, kaominina Kiranomena, disitrikan’i Fenoarivobe, afakomaly. Nanao ezaka ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’ i Tsiroanomandidy. Notazomina enina andro ary hita tao amin’ny kizon’i Vavaranon’ny Sakamalao, Mahatsinjokely, fokontany Ambohitsivalaka izy io.
Dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary tao Mandrotra, fokontany Soakijaha, kaominina Antsahalava, Tsiroanomandidy, ny alin’ny 14 jona 2026 teo. Nikasa hangalatra omby tao an-tanàna ny dahalo maromaro. Taitra ny mponina ka raikitra ny fifanenjehana. Vaky nandositra ny ambiny.




