Misahotaka ny mpanao politika. Ilaharana ny fidirana ny birao foiben’ny antoko mpanohana ny filoham-pirenena. Tsy hiova daholo ny mpikambana rehetra amin’ny governemanta. Homen-danja ny antoko sy fikambanana mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana.
Eo am-piandrasana izay anarana hisolo praiministra sy ny mpikambana vaovaon’ny governemanta ny olom-pirenena, indrindra ny mpanao politika. Vantany vao niely ny vaovao fa nisy ny fisaorana faobe nataon’ny Filoham-pirenena, nilomay ny mpanohana. Nihazakazaka tamin’ny tambajotran-tserasera, naneho hevitra ny mpitolona. Faly sy ny velom-panantenana fa hiditra an-dapa. Ela rahateo no niandrasan’ireo mpanohana voailika hatrizay. Hatramin’ny omaly, filaharam-be teny amin’ny foiben’ny antoko TGV, Ivandry.
Manginy fotsiny ny teny amin’ny foiben’ny fikambanana, isan-karazany. Mihazakazaka ny fanangonana anaran’izay olona hatolotra sy ny fampanaovana azy ireny taratasy fiantohana fa tsy hivadika rehefa mahazo toerana.
Maro ny fanehoan-kevitra nataon’ny mpanao politika mahakasika ity fanovana governemanta ity, indrindra ny fanesorana ny praiministra. “Tsy mampino ny hanalan’ny filoham-pirenena ny lehiben’ny governemanta. Efa tamin’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavam-bahoaka no nataony izany raha hanao izany izy” hoy i Ratsirahonana Norbert. Nisy ny loharanom-baovao iray, nanontaniana, nanamafy izay voalazan’ny filoham-boninahitry ny antoko AVI izay : “Sarotra ny hialan’ny praiministra ankehitriny. Tsy mino aho fa hametra-pialana na ho esorina izy”.
Mazava ny fanambarana nataon’ny mpitondra tenin’ny governemanta, Ramatoa Rakotondrazafy Lalatiana, fa tsy ny mpikambana rehetra akory no esorina. Miankina amin’ny filoha sy ny praiminisitra ny fanapahan-kevitra. Izy ireo no voalaza fa tompon’ny teny farany amin’ny fotoana hanatanterahana izany.
Lin (Mpianatra asa)