Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny datim-pifidianana naroson’ny Ceni. Amin’ny 9 novambra ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany, ary amin’ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, raha misy. Andrasana ny hamoahan’ny governemanta ny didim-panjakana fihaikana mpifidy. Ho ao anatin’izany ny fe-potoan’ny firotsahan-kofidina, ny fampielezan-kevitra…
Ny governemanta izao sa ny vaovao no hanao an’izay? Andrasana koa ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Efa nisaoran’ny filohan’ny Repoblika ireo ministira. Mbola tsy hiova ny Praiminisitra? Tombantombana izay. Tahaka ny fanombanana fa governemanta hiatrika fifidianana no hijoro eo. Nefa tsy hadino koa ny amin’ny sosialin’ny vahoaka… tompon’ny teny farany.
Hanao ahoana izay fifidianana izay? Nanamafy ny eo anivon’ny Ceni fa tsy maintsy ho hita ny vola enti-manatanteraka fifidianana. Mandeha ny fihaonana sy ny fifandresen-dahatra amin’ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka. Miara-dalana amin’izany, mitohy hatrany ny fisoratana anaran’ny olom-pirenena amin’ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany hatramin’ny 31 mey.
Na eo aza izany, mandeha ny asa fampandrosoana ataon’ny fitondram-panjakana hatramin’ny fe-potoam-piasana farany. Natomboka tany Morarano Chrome, distrikan’ Amparafaravola, ny tetikasa fizarana zezika “sulfate d’ammonium” ho fanohanana ny fahavitan-tena ara-tsakafo (PDSA) ho an’ny tantsaha. Tsy maintsy ho tratra ny fahavitan-tena amin’ny sakafo, araka ny fanambin’ny filohan’ny Repoblika.
Tsy miandry ny tsy afaka na izay tsy te handeha ny raharaha? Ho an’ny vahoaka, ny andavanandrom-piainana aloha no maika sy zava-dehibe: tsy fandriampahalemana, vidim-piainana…
*
R. Nd.