Tapaka ny lalana eny Ambohimiandra mankeny Mandroseza. Ho soloina ny fantson-drano lehibe manana savaivo 50 cm. Haharitra telo andro ny asa, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso alarobia. Miato tanteraka ny famatsian-drano, noho izany, toy ny eny Ankadifotsy, Manjakaray, Analamahitsy, Ivandry, Soavimasoandro, Ambatobe, Ilafy, Ambohitrarahaba, sns.
Hisokatra anio, nanomboka tamin’ny 7 ora maraina, ny lalana Somacou, mandalo Antanandrano mivoaka eny Tsarasaotra. Fiaraha-miasa maromaro no nahatanterahana ity lalana ity. Teo ny tompon’ny tany eny Antanandrano, ny ben’ny Tanàna Ankadikely Ilafy, ny Jirama namindra ireo andrin-jiro, ny orinasa CRBC, ny depiote Avaradrano, Avotraina Andriamosa, ny DRTP Analamanga, sns. Mbola hisy fandaminana mahakasika ny fepetra hampiasana ny lalana.
Mirefy 50 000 ha ny velaran-tany hampiharana ny teknikam-pambolena Agropôle. Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa Joseph Agro-industrie no hanatanterahana azy. Hatsangana ny fotodrafitrasa sy ny toeram-panodinana. Izany hoe, hisy ny famokarana, ny fanangonana, ny fitahirizana ary ny fanodinana ny vary, ny voanjo, ny soja, ny fary ary ny lanavila. Hapetraka koa ny famatsiam-bola madinika ara-niomerika ho an’ny tantsaha mpamokatra.




