Tselatra

Nidina an-dalambe tetsy Anatihazo Isotry ny mponina, omaly maraina. Nandoro kodiarana teo amin’ny arabe izy ireo ka tapaka fotoana naharitra ny fifamoivoizana. Anton’izany ny fitakiana ny hamerenana ny sefo fokontany teo aloha sy ny fanesorana ny tomponandraikitra vaovao izay voatendry izy ireo. Nambaran’izy ireo hatrany fa tokony hirosoana ny fifidianana sefo fokontany mba ho ny safidim-bahoaka no hipoitra.

 Fiara telo no nifandona tetsy amin’ny rond-point Ankorondrano, omaly maraina. Niseho nanoloana ny Logistique pétrolier, ny loza. Nandeha mafy ny fiara 4×4 Peugeot iray, izay nahatonga ny loza. Nijanona nanoloana ny fanaraha-mason’ny mpitandro filaminana ny fiara roa: Mitsubishi sy Tucson. Nifatratra tamin’ireo fiara roa ilay 4*4 ka voatosika sy voadona. Tsy nisy naratra sy namoy ny ainy nanditra izany.

Lehilahy iray mpisoloky sady nisandoka ho miaramila voasambotry ny polisy tany Alaotra Mangoro, ny alahady teo. Nilaza fa hamita iraka any Ambatondrazaka izy ary nindrana moto an’olona. Homeny 120 000 ar ny tompon’ilay moto rehefa miverina. Tsy tonga mihitsy anefa izy ka nampilaza ny polisy ny tompon’ilay kodiaran-droa. Natao ny fikarohana ka tratra tany Andilamena izy sy ny moto, izay efa teo am-pivarotana izany.

Jiolahy roa mpamaky trano voasambotry ny polisy tao Mandritsara, ny 19 jona 2026 teo. Namaky trano tao Ambohimandroso izy ireo. Hita tany an-tranony ireo entana halatra rehetra ka efa naverina tamin’ny tompony rehefa vita fanamarinana. Samy efa mpamerin-keloka ireto jiolahy ireto ary efa nigadra noho ny halatra sy vaky trano. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa vita famotorana.

Partager sur: