Taratry ny kanto

Havoaka rahampitso ny boky « Le régime de transition à Madagascar de 1972 à 1975 ». Niarahan’i Lahiniriko Denis Alexandre sy Rasoloarison Lalasoa Jeannot nanoratra izy ity, hampahafantarina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, amin’ny 10 ora maraina. Samy mpahay tantara ny mpanoratra, izay nandalina ny fiainam-pirenena tamin’ny vanim-potoana maro nolalovana, indrindra ireo nafampana. Ny mpanoratra Hobiana Andrianimerina no hiatrika ny fampahafantarana.

Nifarana ny alahady teo ny kerimesy miaramila, tetsy amin’ny Barea Mahamasina. Fotoana nanehoana ireo karazan-javakanto isam-paritra ihany koa izany, ankoatra ny sehatra lehibe ho an’ny mozika. Tsara ny tolotra, saingy somary vitsy ireo mpitsidika noho ny tsy fahampian’ny fampahafantarana mialoha.

Hitohy ny « Podium ». Efa nampiditra ny fetim-pirenena ireo sehatra maro nanamarihana ny « Fetin’ny mozika ». Hitohy manerana ireo distrika sy faritra maro ny « Podium », ho fampifaliana ny vahoaka. Mpanakanto maro no hifandimby amin’ireo sehatra izay nomanina, ka anisan’ny lehibe ny eto Anta­nanarivo, ny 25 jona izao, eo Anosy. Efa mahazatra koa ny tolakandron’ny 26 jona, aorian’ny matso eo amin’ny Kianjan’i Mahamasina.

Partager sur: