Fantina sy fintina

Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ ny Foloalindahy malagasy ny «Hazakazaka ho an’ny Fahaleovantena » natao omaly, niarahana tamin’ireo Andrimpanjakana sy minisitera. Niainga teny amin’ny Coliseum izany ary nifarana teny amin’ny Kianjan’Alarobia.

Miisa 5 600 000 ireo efa voasoratra anarana amin’ny « Izaho tokana ». Voakasika avokoa ny kaominina rehetra manerana ny Nosy. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Prodigy fa tratra ny 200% amin’ny tanjona. Ho vita mialohan’ny faran’ny volana sy mialoha ny 26 jona ny fandoavana ny karaman’ireo OPK sy ny mpisehatra eny ifotony.

Niantso ny rehetra ho sarotiny amin’ny tanintsika sy ny harenantsika ny mpanolotsaina avo ny Fiadidiana ny Fanavaozana, ny Jly Rabearimanana Lucien, omaly. « Mihamaro ireo vahiny tonga eto ka tokony hiezaka hiaro ny tanintsika isika », hoy izy. Tsiahivina fa niatrika ny fihaonambem-pirenena momba ny tany, teny amin’ny CCI Ivato, ny tenany.

Miezaka manatsara ny asam-pitsarana ny eo anivon’io minisitera io, araka ny nambaran’ny minisitra, Fanirisoa Ernaivo. Anisan’izany ny fomba fiasa eny amin’ ireo rafi-pitsarana. « Hametrahana tetikasa iarahana amin’ ny Vondrona eoropeanina. Hojerena koa ny fandrindrana ny fandraisan’olona sy raharaha eny amin’ny tribonaly », hoy izy.

Partager sur: