Vehivavy iray tratra nangarom-paosy teny Ambolokandrina, omaly maraina. Vehivavy miisa telo, raha ny fantatra, no miaraka manao io asa ratsy io eny an-toerana. Nangaronin’izy ireo ny paosin’ny vehivavy iray nividy sakafo maraina, ka lasany tamin’izany ny finday. Tratra ny iray tamin’izy ireo ary mbola hita tany aminy ny finday nangalariny. Nosamborina, nentina eny amin’ny biraon’ny polisy izy taorian’izay. Tafaporitsaka kosa ny roa vavy ambiny.
Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora sy Tsiafahy ireo tambajotran-jiolahy mpangalatra fiara, nahitana vehivavy telo sy lehilahy telo. Nofaina vehivavy telo ny Fiara Starex iray niainga teny Tanjombato, ny zoma 12 jona 2026 lasa teo. Rehefa tonga teny Ambohimanga ny fiara dia nasian’izy ireo fanafody mampatory ny sakafon’ilay mpamily. Natsipiny teny akaikin’ny tetezana Namontana ilay mpamily izay voaendaka tanteraka. Voasambotra tsikelikely ireto olon-dratsy ireto ary izao naiditra am-ponja izao.
Jiolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana maty voatifitry ny polisy tetsy Ambolokandrina Ravitoto, ny alin’ny 22 jona lasa teo. Nikasa hanafika tranombarotra teny an-toerana izy no nifanehatra tamin’ny polisy avy ao amin’ny SCUSI na ny Sakamainty. Raikitra ny fifanenjehana ka maty voatifitra, tamin’izany, ny roa tamin’izy ireo. Nahitana basy vita gasy calibre 12 sy bala calibre 12 miisa telo ary antsy iray teny amin’izy ireo.




