Fitendrena gitara. Haneho ny talentany i Sahaza Raoeliarijao. Iray amin’ireo mpitendry sady mpampianatra gitara manana ny mampiavaka azy. Etsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, ny 28 jona izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro izany. Hifandimby hotendreny amina gitara klasika ireo sanganasan’i J.Bach, Fernando Sor, Hector Villa, kalon’ny fahiny sy ireo hira noforonin’i Naly Rakotofiringa, Justin Rajoro, sns. Sahaza Raoeliarijao, iray amin’ireo mpitendry gitara havanana amin’ny fitendrena kalon’ny fahiny.
Ny eto an-tanindrazana indray no hianoka ny seho an-tsehatra miaraka amin’i Samoëla. Sabotsy 4 jolay izao, manomboka amin’ny 5 ora hariva, ao amin’ ny Alliance Française etsy Andavamamba, ny seho. Iray amin’ireo nahatanteraka fampisehoana maro tao anatin’ny taona vitsivitsy i Samoëla. Ny traikefa lehibe nandritra ireny seho ireny no anisan’ny hampiavaka ity seho ity.




