TSELATRA

Fiara roa indray no nifandona tetsy Andre­fan’Ambohijanahary, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. Fiara Sprinter iray no nidona mafy tamina Peugeot 205 fotsy nijanona teo amoron-dalana. Voatrongy avy ao aoriana ilay fiara ary mbola niroso nahavoadona olona nijanona tamin’ny sisin-dalana. Olona manodidina ny dimy ireo naratra ary efa noentina eny anivon’ny hopitaly.
Nohamafisin’ny mpitandro filaminana ny fandriampahalemana sy ny filaminana nandritra ny fanadinana BEPC, nanomboka omaly. Nirotsaka an-tsehatra ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Nohamafisina ny fandriampahalemana manodidina sy any anatin’ ireo ivontoeram-panadinana, ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny fitehirizana ireo taratasim-panadinana.
Efa tsy nanana eritreritra ny ahita ilay ankizilahy vao 14 taona, very ny 26 jona lasa teo intsony ny fianakaviany, raha ny fanazavana voaray. Hita faty tao anaty rano tetsy Tongarivo Tanjombato moa ity ankizy ity, afakomaly atoandro tamin’ny 1 ora sy sasany. Nambaran’ny fianakaviana fa maty novonoina tany amin’ny toeran-kafa izy ary natsipy tao anaty rano taorian’izay. Notsindronina zava-maranitra teo ambany saokany.
Lehilahy roa mpidoroka sady mpampiantrano mpifoka rongony, voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria CSP2 Ambohijatovo, ny 05 jolay 2026 tetsy Andohanimandroseza. Nahitana rongony vovony tao anaty harona plastika, ary faikany tapa-gony kely sy fonosana nampiasaina tao amin’ilay trano fifohana teny amin’izy ireo.

Partager sur: