Navotsotry ny polisy ilay vehivavy nosamborin’ny fokonolona teny Ankaditoho Tsimbazaza, afakomaly, izay voalaza fa nikasa hangala-jaza. Tsy mpangala-jaza izy fa tsy salama saina, saingy tsikaritry ny mponina nampiresaka ankizy teny amin’ny manodidina, raha ny fanazavana voaray ka antony namotsorana azy.
Naiditra vonjimaika am-ponja, eny Antanimora, ilay vehivavy tratra nangala-jaza teny Antanimenabe Ilanivato, ny sabotsy teo, rehefa avy niatrika fanadihadian’ny polisy. Sady mpaka kavin’ankizivavy izay hitany izy. Mbola tsy fantatra ny olona maniraka azy sy antony hangalaran’izy ireo zaza.




