Nanendaka ramatoa teny 67 ha: jiolahy iray maty voatifitry ny polisy

Nirefotra indray ny basin’ny polisy teny Andohatape­naka, ny faran’ny herinandro teo. Maty voatifitra ny jiolahy iray avy nanendaka ramatoa mpivarotra. Araka ny fanazavan’ny polisy (CSP7), ramatoa mpivarotra iray no lasibatry ny jiolahy niaraka tamin’ny antsibe tamin’io fotoana io. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy anefa ny fisiana polisy nanao fanamiana sivily niatrana teny an-toerana. Namonjy ilay renim-pianakaviana ny polisy ka raikitra teo ny fifanenjehana satria nikasa hanohitra tamin’ny antsibe sady nitsoaka ihany izy ireo. Vokany, maty tsy tra-drano ilay jiolahy. Tafapori­tsa­ka kosa ny namany. Avotra soa aman-tsara, araka izany, ilay renim-pianakaviana ary tsy lasan’ireo olon-dratsy koa ny poketra nisy vola teny aminy. Fantatra fa efa nokarohin’ny polisy hatry ny ela ity maty voatifitra ity satria maro ireo fanafihana mitam-piadiana efa vitany niaraka tamin’ireo namany. Ao anatina tambajotran-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika rahateo koa izy, araka ny fanazavana hatrany.

Jean Claude

Partager sur: