Rain’ilay zaza ihany no niharan’ny fitsaram-bahoaka tetsy Ilanivato Ampasika ny sabotsy teo, raha ny fanazavana voaray. Nosamborin’ny fokonolona sy novonoina izy satria tratra nitrotro zazakely. Raha ny fantatra, rain’ilay zaza voalaza fa saika nalaina an-keriny izy. Nisy ny disadisa teo aminy sy ny vadiny, ary rehefa nandeha haka ilay zaza tao an-trano izy no taitra ny vadiny. Iny no nanaitra sy nitarika ny hatezeran’ny olona manodidina, ka niafara tamin’ny fisamborana azy sy ny fitsaram-bahoaka. Mbola manaraka fitsaboana noho ny ratra nahazo azy moa ity raim-pianakaviana ity amin’izao fotoana izao.
Lasan’ny vehivavy iray ny lelavola 5 tapitrisa Ar teny Andohatapenaka ka tsy hita popoka izy hatramin’izao. « Nisy asa nampanaovina an’io ramatoa io ka nilaza izy fa vitany », hoy ny fanazavan’ilay raim-pianakaviana lasibatra. Nilaza ho mahafantatra olona ambony izy ka mahatafiditra ho polisy na koa, mpiasan’ny fonja. Resy lahatra tamin’ny fitaka ilay rangahy ka nanome lelavola 4 tapitrisa Ar. Nampiana 1 tapitrisa Ar izany taorian’ny fifanarahana. Nitotaly 5 tapitrisa Ar, ny lelavola very ary tsy hita intsony izy taorian’izay. Nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana ity farany.
May kilan’ny afo, ny trano miisa efatra tany Volodia, fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitra Manakana, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly tamin’ny 11 ora maraina. May kila ny entana tao anatiny. Manodidina ny 28 ny isan’ny olona traboina. Tsy nisy afa-tsy ankizy no tao an-tanàna tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Afo efa niredareda no hitan’ny olon-dehibe, niezaka novonjena sy novonoina ny afo saingy tsy tratra intsony. Tombanana ho 21 500 000 Ar ny teti-bidin’ny entana kilan’ny afo.




