Fanovana ny governemanta: miisa 8 ireo minisitra vaovao

Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanovana ampahany amin’ireo eo anivon’ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Miisa valo ireo mpikambana vaovao notendrena tamin’izany.

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, Pelan­droy Espérance, omaly teny Ambohitsorohitra ny anaran’ireo minisitra vaovao eo anivon’ny governemanta. Voaten­dry ho minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Général de division Rakotoharijaona Josoa. Hisahana ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny kosa i Yvette Sylla. Efa nitana izany andraikitra izany izy teo aloha. Efa masoivohom-pirenena, solontena maharitra eo anivon’ny Unesco ao Paris. Efa minisitry ny Varotra koa ny tenany, fony governemanta ho an’ny marimaritra iraisana, tamin’ny fitondran’ny filoha teo aloha, Rajaonarimam­pi­a­nina Hery. Mpikambana eo anivon’ny Vondrona laika kristianina (VLKM) anivon’ny fiangonana katolika koa izy.
Voatendry ho minisitry ny Fitsarana Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana. Loho­lona am-perinasa ary mpitsara sady efa mpikambana eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly.
Minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam -panjakana sy ny lalàna sosialy, Rivotiana Jean Bosco. Depiote voafidy tany Lalan­gina ary mpikambana eo anivon’ny vaomieran’ny Fitsa­rana avo natao hitsara ireo mpitondra ambony (HCJ), teo aloha.
Hisahana ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny minisitra Ramonjavelo Va­lery. Efa sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha (SGP). Voatendry ho minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Ndriamihaja Livah Andri­anatrehina. Injenieran’ny asa vaventy.
Minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rasamoelina Soloniaina Andriamanam­pi­soa. Efa nitana andraikitra teo anivon’ny orinasa Jirama, amin’ny fanarenana izany orinasam-panjakana izany. No­ten­drena ho minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena kosa, Resampa Haja André. Efa sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, fony fitondrana Tetezamita.

Mbola eo amin’ny toerany ny praiminisitra

Tsiahivina fa efa nanomboka ny 11 jona 2018 no efa teo amin’ny toeran’ny praiminisitra sady lehiben’ny governemanta i Ntsay Christian. Nitantana ny governemantan’ny marimaritra iraisana ary izao mbola voatana amin’izany andraikitra izany, dimy taona aty aoriana. Efa nisahana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina kosa, nanomboka ny taona 2019 ka mbola misahana izany hatramin’izao i Lalatiana Andria­ton­garivo Rakotondrazafy. Mbola minisitra koa na efa nisy fotoana aza nisintaka kely ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana amin’izao fotoana izao Ravokatra Fidiniavo. Efa minisitry ny Harena an-kibon’ny tany ny tenany ny taona 2019.

Synèse R.

Partager sur: