Isan’ny paikady hanatanterahana ny vinan’ny fihariana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Entina indrindra izany amin’ny fikirakirana ny vola miditra sy mivoaka amin’ny fanjakana, eo amin’ny orinasa, ny mpandraharaha matihanina, ary ny isam-batan’olona, sy ho fampandehanan-draharaha.
Mpampindram-bola madinika hoenti-miasa
(Institutions de Micro Finance IMF) 10 (1) no nisitraka fampitaovana haitao ara-kajy mirindra avy amin’ny tetikasa « Projet d’Inclusion Financière de Madagascar » (PIFM) toy ny « tablettes » misy 724, « tablettes télécollectes » 130, ordinatera entin-tanana 108, « onduleurs » 35, rindrambaiko (logiciels) maro isan-karazany, mpamokatra herinaratra (groupes électrogènes) 8, fahazoan-dalana (licence) « Oracle » ho an’ny mpampiasa 1000, sy fitaovana maro hafa.
Ankoatra izay, IMF 7 (2) no nisitraka fampitaovana narahina fandraisana anjara mivantana ho fampiroboroboana ireo masoivoho vaovao azy ireo. Maro ireo masoivoho misokatra, indrindra any amin’ny toerana saro-dalana sy lavitry ny tolotra famatsiam-bola teo aloha. 10 871 ireo mpisitraka sy mpikambana vaovao ka 5 476 amin’ireo dia vehivavy avokoa, miely amin’ireo masoivoho vaovao 40, miparitaka amin’ny Faritra, toa an’Analamanga, Diana, Sava, Sofia, Boeny, Anosy, Androy … Ireo fitaovana novatsiana, fiara tsy mataho-dalana telo, moto 84, ordinatera 60, mpamokatra herinaratra telo, fitaovana ho an’ny toeram-piasana, toy ny latabatra sy seza ary fitaovana maro hafa.
Isan’ny antom-pisian’ny PIFM ny fanohanana amin’ny famolavolana sy fampitaovana SIG (Système d’Information et de Gestion) iombonana ho an’ireo IMF mbola tsy nisitraka izany. Napetraka tamin’ny taona 2018 ny tetikasa PIFM, fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny Banky iraisam-pirenena, ary nifarana desambra ny 2022.
Ndrina
(1) ACEP Madagascar, APEM PAOQ, Caisse d’Epargne de Madagascar, CEFOR, OTIV Toamasina ZL, OTIV ZAM Ambatondrazaka, OTIV DIANA, PAMF, SMMEC, Vola Mahasoa.
(2) ACEP Madagascar, APEM PAIQ, CECAM, OTIV DIANA, OTIV SAVA, PAMF, SMMEC.